- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Sabotsy Léocadis, manana hoho lava indrindra, mirefy 6,5 sm

Sambava : Sabotsy Léocadis, manana hoho lava indrindra, mirefy 6,5 sm

Fanirian’i Léocadis indray andro any, raha ny nambarany, mba ho izy no Malagasy voalohany voarakitra ao amin’ny boky “Guinness des records” misy ireo olona miavaka indrindra eto ambonin’ny tany. Tovolahy iray 22 taona, antsoina hoe : Sabotsy Léocadis, izay monina ao Antsirabe Distrikan’i Sambava, no lava hoho indrindra any amin’ny Faritra Sava, izay mirefy 6,5 sm ny halavany hohon’i Léocadis amin’izao. Raha ny fanazavan’ity tovolahy avy any amin’ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ity, dia tao anatin’ny roa taona izy no nanomboka nikolokoloako ny hohony, ary mahafinaritra azy ny maheno ireny olona malaza miavaka noho zavatra iray ireny, ka teo no nanomboka nampitsiry ny faniriany hanalava ny hohony mba hiavahany amin’ny maro. Fanirian’i Léocadis indray andro any, raha ny nambarany hatrany, mba ho izy no Malagasy voalohany voarakitra ao amin’ny boky “Guinness des records” misy ireo olona miavaka indrindra eto ambonin’ny tany. Amin’izao moa dia ilay teratany Amerikanina vavy Ayanna Williams, mipetraka any Houston no mitana ny laharana voalohany amin’ny olombelona lava hoho indrindra, ka mirefy 5,7m ny halavan’ny hohony mitambatra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici