- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Sarona ny basy telo saika hamidy any an-toerana

Sambava : Sarona ny basy telo saika hamidy any an-toerana

Nahatratra olona nitondra fitaovam-piadiana ny polisy manao sakana sy fisavana any amin’ny lalam-pirenena fahenina iny, ny herinandro lasa teo. Sarona teny amin’ny lehilahy roa ny basy lava iray sy basy poleta niaraka amin’ny bala. Voalaza, fa nokasaina hoentina hamidy any Sambava ireo fitaovam-piadiana ireo. Anisan’ny asan’ny polisy ny fisakanana sy fisavana ny fiara mivezivezy. Tamin’izany no nahatrarana an’ireto lehilahy roa nitondra basy ireto. Manentana ny vahoaka hatrany izahay amin’ny fampitam-baovao amina fahazoana ny fitondrana fitaovam-piadiana mivezivezy toy izao, hoy ny « commissaire Principale de Police Saramba Joseph, lehiben’ny kaomisarian’ny polisy ao Sambava. Vita sovietika ilay basy lava. Samy vita tanana kosa ny basy poleta roa. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana, fa avy any Toliara sy Marovoay ary nalaina tao Sambava ireo fitaovam-piadiana ireo.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici