Ny alin’ny asabotsy teo, talena orinasa iray no lasibatry ny mpanao sinto-mahery tao amin’ny Fokontany Ambodisatrana Sambava tampon-tanàna, ka lasan’ny olon-dratsy ny finday avolenta. Taorian’izay, nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ny niharam-boina, ka rehefa nataon’ny Zandarimaria any an-toerana ny fanarahana izany finday izany tamin’ny alalan’ny « GPS » niampy ny tetikady matipaika rehetra, dia tra-tehaka tamina lehilahy iray izay monina ao Moratsiazo Fokontany Antaimby, Kaominina renivohitra Sambava io finday io. Taorian’izay, rehefa nosavain’ny zandary ny tranon’ity lehilahy ity, dia nahitàna entana halatra maro isan-karazany toy ny : « Matelas éponge » mbola vaovao, « Écran plat », « Panneau solaire », . . . Ary nahitana rongony miisa 42 fonosana ihany koa tao. Nandritra ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana, niaiky ny heloka vitany ity jiolahy. Ary efa tafaverina tamin’ny tompony ilay finday raitra.
Eric Manitrisa