- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Taolam-paty 96 isa tra-tehaka, nafatratra tao anaty valizy lehibe

Sambava : Taolam-paty 96 isa tra-tehaka, nafatratra tao anaty valizy lehibe

Nahatratrarana taolam-paty indray tany amin’ny Distrikan’i Sambava, afak’omaly, tao Antohomaro, ka taolan-dava miisa 96 (rehefa natao ny fanisana) no nafatratra tao anaty valizy lehibe iray. Raha ny vaovao voaray, dia andiana ankizy sendra nilalao no taitra raha nahita valizy iray mbola nihidy gadanà, ka nifarombahan’ ireo « tsaika madinika » ny entana, satria nihevitra izy ireo tamin’ny voalohany fa vola na zavatra sarobidy. Raikitra ny adivarotra teo amin’ireto ankizy, fa izay mahavaha azy voalohany no mahazo anjara be noho ny hafa. Voavahan’ny iray tamin’ireo zaza ilay gadanà nihidy. Vao nisokatra ilay valizy vao taitra, ka samy nanao tongotra an-katoka nilefa ary nampandre ireo olobe tao an-tanàna. Nampisavoritaka ny mponina. Taorian’izay, dia nanao be midina niaraka tamin’ny Lehiben’ny Fokontany Antohomaro ny Fokonolona. Nampandrenesina ny zava-misy ihany koa ny Zandarmaria Sambava, izay eo amin’ny 8 km miala ny toerana nahitana an’ity taolam-paty, ka tonga ny mpitandro filaminana notarihin’ny Kaomandin’ny borigady tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Mandra-pahitana izay ho mety manana fasana nisy namaky, ka samy hanamarina ny fasan-drazany ny mponina, dia naterina any amin’ny borigadin’ny Zandary ireo taolam-paty. Omaly ihany raha ny fanazavana azo hatrany, dia nilaza ny Fokonolona tao Antohomaro, fa nisy fasana vaky ny herinandro lasa teo tamin’ny fasan-drazana atao hoe : Analandravina, ary dia nakorotan’ireo tsy mataho-tody ny taolam-balo rehetra tao. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ka ho hita eo ny marina amin’ity raharaha ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici