- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Telo lahy nitam-piadiana tra-tehaka nandroba sy namono mpivarotra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Sambava : Telo lahy nitam-piadiana tra-tehaka nandroba sy namono mpivarotra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Taorian’ny fanafihana nitam-piadiana nitranga tamin’ny tokantranon’ny mpivarotra iray, tao Andranomifotitra, any amin’ny kaominina ambanivohitra Maroambihy, distrikan’i Sambava, izay nahaverezan’ny vola sy entana sarobidy, ny alin’ny zoma teo, ary nandratra mafy nandritra ny fanafihana, nodidin’ny jiolahy tamin’ny antsy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana tompon-trano, ary nitetehan’ireo olon-dratsy ny lohany. Rehefa nokarohina fatratra, dia voasambotry ny fokonolona afak’omaly ny telo tamin’ireo valo lahy nandroba, ka maty niharan’ny fitsaram-bahoaka notetitetahana tamin’ny antsy. Rehefa nihosin-drà ity raim-pianakaviana voatafika, dia nody maty tsy nihetsika ka niliba ireo jiolahy nandroba ny entana tian’izy ireo tsy zakany tao an-trano. Rehefa nahatsiaro tena ity rangahy voatafika, dia nitantara ny nanjo azy, ary nilaza fa olona mpiara-monina aminy eo an-tanàna ihany ny iray tamin’ireo mpanafika. Taorian’izay, raikitra ny savahao sy hazalambo an’ireo jiolahy, ka tra-tehaka ny telo lahy, raha tafaporitsaka niaraka amin’ny basy kosa ny ambiny, izay mbola karohina fatratra hatramin’izao, raha ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici