- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Toeram-pivarotana 3 lehibe sy trano fonenana ampolony, may kila forehitry

Sambava : Toeram-pivarotana 3 lehibe sy trano fonenana ampolony, may kila forehitry

Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tao an-tampon-tanànan’i Sambava, ny alin’ny roa jolay teo, tamin’ny folo ora, ka toeram-pivarotana miisa telo lehibe sy trano ampolony manodidina teo no indray kila forehitry, tao amin’ny fokontany Antanifotsy I. Tsy fantatra mazava ny tena niavian’ny afo, fa ny lelafo efa niledaleda nipoitra tamina trano iray nifanila tamin’ny foibe « Banque Microcred » ao Sambava no nanaitra ny manodidina, ary vetivety dia niitatra ny afo, saingy nieren-doza ity banky mpampindram-bola madinika ity. Efa kila forehitry ny entana sy fananana rehetra tao amin’ ireo toeram-pivarotana (hotely, mpivaro-damba ary « coiffure ») sy teo amin’ny trano fonenan’olon-tsotra vao tonga ny fiara mpamonjy voina avy amin’ny Adema, raha ny fitarainan’ireo niharam-boina. Noho ny tsy fananan’ny Kaominina ambonivohitry Sambava fiara mpamono afo, dia mbola tsy maty tanteraka ny afo, afak’omaly naraina tamin’ny valo ora sy sasany, raha ny fampitam-baovao azo. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ireo tratry ny voina (saika mpitady ravinahitra avy aty andrenivohitra ny ankamaroany, izay tsy manana havana na fianakaviana any an-tany lavitra) mba hijerena akaiky azy ireo fa tsy manan-kialofana sy hanaovana fanadihadiana lalina ny niandohan’ny afo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici