- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Tovolahy 15 taona saika natelin’ny ranomasina

Sambava : Tovolahy 15 taona saika natelin’ny ranomasina

Isan-taona dia mpiseho ny fisintonany ny olona mandro ao aminy ny ranomasina Océan Indien. Teo amin’ny faritra eo akaikin’ny Hotel Las Palmas sy ny biraon’ny CRPP, teo anelanelan’ny Biraon’ny Asa Vaventy sy ny orinasa SOAVOANIO, ary tany Ampandrozonana, akaikin’ny toerana fandroan’ny mpanao tromba, no efa nisian’ny olona maty tao amin’io ranomasina io. Tao Ampandrozonana moa dia vazaha anankiroa be izao. Entin’ny ranomasina mankany afovoany ireo olona ireo ary tafahitsoka ambany, dia matiny vao miempo ambony ranomasina, na atsipiny amin’ny sisiny. Tamin’ny alahady tolakandro, teo ho eo amin’ny 2ora tolakandro dia nisy zazalahy vitsivitsy sy vazaha nandro tamin’ny sisin’io ranomasina, teo anelanelan’ny Hotel Las Palmas sy ny biraon’ny CRPP. Ny zazalahy iray 15 taona no voasinton’ny ranomasina ary efa niala 30 na 40 metatra miala ny sinsin-drano kanefa tsy nahay nilomano. Tsy nisy sahy nanaraka an’io zazalahy io anefa ny teo na dia nisy olon-dehibe vitsivitsy aza. Rahefa avy nandro tany an-dranomasina ka naheno ny olona nikiakiaka momba ilay zazalahy ny tovolahy anankiroa nandro tsy lavitra ny toerana dia tsy nisalasala fa tonga dia niverina nidina ka nilomano namonjy an’ilay zazalahy. Azon’izy ireo ilay zazalahy kely dia nentin’izy ireo niakatra avy any. Efa feno rano ny kibon’ilay zazalay ka nahok’izy ireo izy ary noteriterena mba hamoahana ny rano tao an-kibony. Nivoaka tokoa   ny rano tao an-kibon’ilay zazalahy. Rahefa nahazo aina tsara izy dia lasa nandositra: menatra ny olona maro efa nivorivory teo. Tamin’ny taona lasa aza dia efa nisy zazalahy iray, 15 taona, koa maty nentin’ny ranomasina tsy lavitra ny orinasa SOAVOANIO. Nefa dia asa maninona loatra fa tsy mety tonga saina mihitsy ny olona, na zaza izany na olon-dehibe koa aza, eo amin’ny fisintonan’ny ranomasina ireo olona mandro ao ka ahafatesan’olona foana io.

REMI Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser