- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Tovolahy 17 taona avy namonjy lanonana, maty voatsindrona antsy

Sambava : Tovolahy 17 taona avy namonjy lanonana, maty voatsindrona antsy

Nitrangana vono olona nahatsiravina indray tany Sambava, ny alatsinainy tokony ho tamin’ny iray ora naraina. Tovolahy iray 17 taona monina ao amin’ny fokontanyAntanambao-Antaimby  no maty notsatohan’andian-jatovo “foroche” ny antsy teo am-bavafony, teo amin’ny tetezana Antaimby. Raha ny fanazavana azo araka ny tati-baovao voaray, dia avy nanala azy niaraka tamin’ny anabaviny sy namany maromaro teny amin’ny “Disco” iray amoron-dranomasina ity tovolahy namoy ny ainy, hamonjy fodiana ity no nifanehitra tamin’ andian-tanora efatra mpisetrasetra nitondra zava-maranitra. Noho ny fialonana dia tsy nisalasala ireto farany namono avy hatrany an’ity tovolahy vao tera-bao dimy volana ity. Raha nahita ny anadahiny nitolefika ary nihijitra nameno ny arabe ny rà, dia nikiakiaka mafy niantso vonjy ny anabavin’ity maty, ka taitra tamin’ny torimasony ny teo amin’ny nanodidina. Raikitra avy hatrany ny fanenjehana an’ireo mpamono olona, ka tovolahy iray tamin’ireo nahavanon-doza no tra-tehaky ny fokonolona. Raha tsy tonga nalaky ny Zandary, dia saika matin’ny  fitsaram-bahoaka ity mpamono olona voasambotra naratra mafy. Mbola karohina fatratra kosa amin’izao ny namany izay tafaporitsaka nandositra, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanàna ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici