Tovolahy iray 15 taona, fantatra amin’ny anarana hoe : Landy Dolin, mipetraka ao Antsirabe Sambava, izay avy any Ambalavao Tsienimparihy, no hita faty an-drano, omaly naraina. Raha ny vaovao voaray, roa lahy no niara-nandro sy nilomano teo ambanin’ny « Las Palmas Sambava-Ville » ka natelin’ny ranomasina, ny alahady tolakandro teo, tokony ho tamin’ny telo ora. Taorian’izay, niara-nifarimbona tamin’ny fikarohana azy roa lahy dobo an-drano ireto ny Fokonolona tao Ambolomadinika, ny mpamonjy voina sy ny Zandary, ary ny mpitondra fanjakana tany an-toerana, ka omaly naraina io no hita ny vanta-mangatsiakan’ilay tovolahy, izay efa nalain’ny havany ny razana, raha mbola nokarohina fatratra kosa hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra ilay rangahy anankiray niara-niseky taminy.
Eric Manitrisa