Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tany Anjagnoveratra Distrikan’i Sambava, ny asabotsy teo, tokony tamin’ny 12 ora atoandro. Tovolahy iray voalaza fa marary saina no hita faty nihatona teny ambony hazo tamin’ny tady « nylon », 20 metatra miala ny tranon’ny Ray aman-dreniny. Izay nahita an’ity tranga ity dia samy nametra-panontaniana avokoa na ny mpifanila-bodirindrina io na ny mponina eo an-tanàna lasa saina : olona marary saina ve mety mba mitsiry hevin-dratsy ny hamonon-tena ? Sa nisy nanantona ? Ireo no fanontaniana apetraky ny olona, ka andrasana araky izany ny vokatry ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana manoalana ity tranga mampalahelo ity.
Eric Manitrisa