Tovolahy iray 28 taona voalaza fa mpamboly lavanila no hita faty tao anaty alan’i Bevalavo (eo anelanelan’ny Ambodiasina sy Ankelimahavoky), omaly naraina. Ary efa simba tanteraka ny razana tamin’ny fotoana nahitana azy. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, andiana tantsaha maromaro handeha hiasa vao maraina sendra nandalo tsy lavitra teo no naheno fofona hafahafa, ka rehefa niditra tao anaty ala nizaha, dia razana efa mihasimba mihantona eny ambony hazo no nanaitra an’ireto mpamboly lavanila. Nampahafantarina avy hatrany ny zava-misy ny Lehiben’ny Fokontany. Ity farany avy eo no nampilaza tamin’ny fianakavian-dratompokolahy ao Analankininy Soavinandriana, ka rehefa nofotorana lalina ny vadin’ny maty nilaza fa handeha hiasa tany an-tsahan-davanila no nialan’ity raim-pianakaviana hita faty ity ny trano, ary tany izy dia tsy niverina intsony, hoy ny vadiny. Taorian’ny fizahana tsy maintsy nataon’ny mpitsabo nitsirika ny razana, sy ny mpitandro filaminana izay nanokatra fanadihadiana, dia nalain’ny havany ny vata-mangatsiakan’ity tovolahy ity faty.
Eric Manitrisa