- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Tovolahy mpamily « bajaj » sy malaza ho mpanolana, voatifitry...

Sambava : Tovolahy mpamily « bajaj » sy malaza ho mpanolana, voatifitry ny pôlisy

Tao Tsararivotra, Sambava no nahasamboran’ny Polisy, tovolahy iray, mpitondra Bajaj, izay fantatra ihany koa fa mpanolana vehivavy. Efa efatra izao ireo vehivavy naolany, raha ny vaovao voaray. Saika avy namonjy alim-pandihizana daholo ireny latsibatra ireny. Ny farany lasa teo dia tovovavy iray avy namonjy alim-pandihizan’ny fetim-pirenena tany an-toerana indray no lasibatr’ilay tovolahy. Ary io vehivavy io no nitory azy ka nahatonga izao fisamborana izao. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany maraina teo no voalaza fa nanararaotan’ity mpitondra Bajaj ity, ara-nofo an’ilay tovovavy. Nikasa handeha hody amin’izay mantsy ity farany ka nanapa-kevitra ny handeha Bajaj satria mbola lavidavitra ihany ny fokontany Ambalamanasy misy ny tranony, raha miala eo amin’ilay toerana nisian’ilay alim-pandihizana, hoy ny fitantaran’ity lasibatra ity. Nony teny an-dalana anefa dia nilaza fa nangatsiaka ilay ranamana ka handeha hiverina haka akanjo mafana tany an-tranony, izay ao Tsararivotra. Rehefa niala teo anefa izy ireo dia tsy tany amin’ny lalana makany amin’ny toerana nisy ilay olona nentiny no nalehan’ilay mpamily fa lalan-kafa mihitsy, izay toerana somary maizimaizina sy tsy nisy mpandalo mihitsy. Najanon’ilay tovolahy avy hatrany ilay bajaj nentiny ary nangatahiny hanaovana firaisana ilay tovovavy. Tsy nanaiky anefa ity farany, ary nilaza fa mbola tonga fadim-bolana. Tezitra mafy tamin’izany ny lehilahy ka norahonany fa hovonoina tamin’ny antsy teny an-tanany raha tsy manaiky izay sitra-pony. Sendra ny mahery noho izy ilay vehivavy ary nentin’ny tahotra ka nanaiky izay rehetra notenenin’ity mpanolana azy. Raha ny fantatra hatrany dia noteherizin’ilay vehivavy ny atin’akanjony feno rà, izay vokatry ny fanolanana nahazo azy, ary io no nentiny natao porofo tany amin’ny pôlisy, ny marain’io. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireto farany ka tonga nisambotra ilay tovolahy tao an-tranony. Tsy nanaiky mora ny nisamborana azy anefa ity lehilahy fa vao mainka nitsoaka, hany ka tsy maintsy niroso tamin’ny fitifirana ireo mpitandro filaminana. Tafajanona izy rehefa naratra voan’ny bala teo amin’ny tongony. Nosamborina ary nentina notsaboina tany amin’ny hôpitaly. Nomarihin’ny lehiben’ny kaomisarian’i Sambava fa efa fitoriana telo momba fanolanana vehivavy no nalefan’ny niharam-boina tany amin’izy ireo. Tato anatin’ny roa taona izao dia efatra ny vehivavy naolany ka isan’izany ilay vehivavy naolany takaikin’ny seranam-piaraminidina.

REMI, Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici