Manoloana ny fiparitahan’ny vola sandoka 20 000 Ariary any amin’ny Distrikan’i Sambava, dia sahiran-tsaina ny mponina, indrindra ireo ny any ambanivohitra, satria sarotra amin’izy ireo ny manavaka ny vola tena izy sy ny sandoka.
Nandritra ny alim-pandihizina tao Maroambihy, ny alin’ny 04 novambra teo, dia tanora roa lahy namonjy lanonana tao no nampiasa vola sandoka nividianana toaka, tsaky, . . . nampirevena sipa sy olona maro tao anatin’ity « bal » ity. Tsikaritry ny mpikarakara fa vola tsy tena izy no andoavan’izy roa lahy ireo zavatra laniny, ka nosamborina izy ireo, ary mbola nahasaronana vola sandoka 180 000 Ar tany amin’izy ireo. Nomena safidy izy roa lahy ireto, na hatolotra ny mpitandro filaminana na hanao raharaham-pihavanana, ka hiantoka ny lany rehetra nandritra ny alim-pandihizana tamin’ny mpikarakara, ary tsy nihambahamba izy roa lahy ny nisafidy ny faharoa. Taorian’ny asa ratsiny, dia nitsoaka izy roalahy, ka mbola karohin’ny mpitandro filaminana fatratra hatramin’izao. Raha ny vaovao voaray, dia efa fantatra ny mombamomba an’ ireto tanora roa nanaparitaka vola sandoka ireto, ka ny iray dia zatovo avy ao Maroambihy ihany, fa ny faharoa kosa avy ao Ambodiampana Lokoho. Marihina fa helohan’ny lalàna sazy an-terivozona mandram-pahafaty ny fanaovana sy fampiasana vola sandoka, ary ny fitsarana, na tsy misy aza ny mpitory dia mampanenjika ireo rehetra mandika lalàna, fa tsy vitan’izay fifampiraharahana izany.
Eric Manitrisa