- Publicité -
vendredi, décembre 19, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Tovovavy nihetsika ambalavelona teo am-piatrehana fanadinana Bepc

Sambava : Tovovavy nihetsika ambalavelona teo am-piatrehana fanadinana Bepc

Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tany amin’ny foibem-panadinana Amboangibe, distrikan’i Sambava, afak’omaly naraina, fa adiny iray teo am-piatrehana ny laza adina matematika tamin’ny fanadinana Bepc ity zazavavy iray no nihijitra tampoka nihetsika ambalavelona (aretina Anjarinintsy), ka nifandrombahana nobataina nentina nivoaka haingana ny efitranom-panadinana, ary tany no nalana devoly. Rehefa niverina nahatsiaro tena ity tovovavy ity, araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia niangavy mafy mba hanohy ny fanadinana. Nidinika ireo tompon’andraikitra ary nekena ny fiangaviany, ka tany an-tranon’ny « Surveillant » akaiky indrindra ny foibem-panadinana izy no nanohy izany teo am-pandriana sady latsa-dranomaso nitomany teo anatrehan’ireo mpanara-maso roa.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici