Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tao Sambava tampon-tanàna, ny 25 jona teo, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, tao amin’ny fokontany Antaimby Avaratra, ka trano lehibe iray misy rihana roa no nirehitra tampoka. An-tapitrisany maro ny tombam-bidin’ireo entana may levona sy hotohoton’ny afo. Raha ny filazan’ny tompontrano dia niainga avy tao anaty valindrihana (plafond) ny afo. Raha ny fanadihadiana dia tombanana ho avy amin’ny akosona herinaratra (court-circuit) no fototry ny afo nahatonga ny firehetana. Noho ny tsy fananan’ny renivohi-paritra Sava fiara mpamonjy voina moa, dia voatery ny fokonolona eo an-tanàna hatrany no miara-mifandrimbona sy miara-misalahy mamono ny afo, ka ora maromaro aorian’ny firehetana vao voafehy sy maty izany.
Eric Manitrisa