Sahy ny jiolahy ankehitriny. Tranona manamboninahitra Zandary iray mitondra ny galona lietnà notafihana jiolahy nirongo basy « kalachinikov » sy P.A ary sabatra sy « matraque », ny alarobia naraina teo, tokony ho tamin’ny iray ora, tany Sambava, ka lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny lelavola 12 tapitrisa ariary niampy firavaka sy rojo volamena marobe tao anaty lalimoara. Tsy nionona tamin’izany ireo jiolahy nitam-basy fa mbola nentin’izy ireo ihany koa ny lavanila masaka efa vita karakaraka milanja 50 kg izay mitentim-bidy 60 tapitrisa ariary. Mpitandro filaminana iray amin’ireo jiolahy. Tao anatin’ny torimasony ity manamboninahitra ity sy ny fianakaviany no tonga tao an-trano ireo jiolahy (nisaron-tava ny iray), ary nanambana basy azy ireo, ka tsy afa-nihetsika ny iray trano. Ny zavatra nanaitra ny maro, araka ny fampitam-baovao voaray, dia ny nilazan’ity manamboninahitra voaroba ity, fa mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika tao aminy, ary tsy ho vitavita mora ity raharaha ity, raha ny nambarany hatrany. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, ary miandry ny tohin’ny raharaha ny mpanara-baovao.
Eric Manitrisa