Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tao Anjialavabe, any amin’ny distrikan’i Sambava, afakomaly, satria fasan-drazana lehibe misy sivy, tao amin’ny fasana antsoina hoe Ambosikidihely no nisy nanokatra, ary novakian’ireo olon-dratsy ny vatam-paty miisa 58, ka niparitaka sy nakorontana eraky ny fasana ny razana nikarohan’ireo dahalo ny vola rehetra nampanarahana ny maty tao am-pasana, izay fomba fanao amin’iny faritra iny. Araka ny vaovao voaray, rehefa nataon’ny fokonolona sy ny tompom-pasana ny fijerena ifotony ny zava-nitranga, dia tsy nisy nihetsika ny taolam-paty rehetra tao am-pasana, fa ny vola ihany no nalain’ireo tsy mataho-tody, izay lasa avokoa.
Eric Manitrisa