Saika isan’nandro tato ho ato dia andrenesam-baovao mahakasika asan-jiolahy fanafihana mitam-piadiana, halatra lavanila arahina vono olona, asan-dahalo, vaky trano, fandrobana mitam-basy, fanendahana sy sinto-mahery, sns, foana ao Sambava sy amin’ireo distrika mandrafitra ny Faritra Sava. Afak’omaly tolakandro, valolahy mpanao fanafihana mitam-basy sady mpampihorohoro amin’iny faritra iny no voasambotry ny Zandary niaraka tamin’ny balana “kalach” 60 isa sy basy poleta vita gasy ary antsy. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra voaray dia miparitaka tokoa amin’izao ny basy sy bala, ka matetika lasibatr’ ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ny mpamboly lavanila, na ireo olona tsy manan-tsiny mitahiry volabe an-trano, hatramin’ny mpivaro-mandeha mitety tsena. Raha araka ny tati-baovao samihafa voaray, dia leom-boan’anana amin’ny firongatry ny asa ratsy toa tsy misy fanafana intsony ny mponina efa lanaky ny fahantrana mamoy havana tsy fidiny sy very fananana toa tsy misy mpiaro intsony any an-toerana, ka izay mpangalatra na jiolahy tratra dia manefa avokoa, toy ity tovolahy iray mbola erotrerony tra-tehaka namaky trano, naratra mafy rovitra sofina ankavanana sy voakapan’ny antsy teo amin’ny tarehiny ankavia saika matin’ny fitsaram-bahoaka, ny alarobia teo, tao Besokapa Sambava.
Eric Manitrisa