Tamin’ny sisin-dàlana, eo ambony avaratra andrefan’ny biraon’ny sampan-draharahan’ny Fiompiana tamin’ny 5ora, ny marainan’ny zoma 24 febroary, no nahitan’olona mandalo amin’ilay làlana ny fatin’io vehivavy io. Ny tratrany sy ny foitrany no mba voarakotry ny lamba nanaovany. Fotsifotsy fihodirana izy. Feno rà ny tapany ambany amin’io lamba nanaovany io. Ny mpahalala azy no nanambara, fa olona monina ao Ambodisatrana I izy io. Tonga dia nandray an-tànana ity raharaha ity ny polisy. Androtr’io ihany dia efa olona no nosamborina. Nambaran’ny tovolahy iray tamin’ny fanadihadiana fohifohy, nataon’ny polisy dia “ nilain’ilay tovolahy io vehivavy io ka nanaiky ny filany ilay vehivavy ary nangatahan’ilay vehivavy io vola 20.000Ariary ilay tovolahy. Tonga dia nefain’ilay tovolahy io lelavola nangatahiny io ary nandeha niditra tamin’ny “chamber” iray ao amin’ny hotely sandoka tsy lavitra ilay birao voalaza etsy ambony izy roa. Nosamborina avy hatrany ny tompon’ilay hotely sy ny mpanasany izay tratran’ny polisy nanasa sy nanadio ilay lafi-pandriana feno rà. Nilaza ity tovolahy ity, fa saika hariany tamin’ny sisin-dàlan-kely iray eo avaratra atsinanan’ny làlam-pirenena ny fatin’ilay vehivavy. Saika handositra hiakatra ho aty an-drenivohitr’i Madagasikara izy ary nadeha taksiborosy no voasambotry ny polisy nisava karatry ny mpandeha teo amin’ny barrage économique ao amin’ny fokontany Ambatondrazaka – Distrikan’i Vohemar . 7 mianadahy izany ireo voarohirohy tamin’ity raharaha ity ka hatolotra ny fitsarana.
REMI, Rakotonirina