- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Vehivavy tera-bao nanindrona antsy ny rafivaviny 17 taona

Sambava : Vehivavy tera-bao nanindrona antsy ny rafivaviny 17 taona

Misy raha « la terre » ! Trangam-piaraha-monina nahavalalanina ny maro no niseho tany amin’ny Distrikan’i Sambava, Faritra Sava, ny alarobia 29 septambra teo. Noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra, ramatoa iray vao tera-bao telo volana no nanindrona antsy tovovavy iray 17 taona nofarahiny ho rafivaviny, tany amin’ny Fokontany Anjahamarina, Kaominina ambanivohitra Morafeno. Niteraka savorovoro saika niafara tamin’ny fitsaram-bahaoka ity tranga ity, ka voatery niditra an-tsehatra haingana ny Fokonolona nisambotra ny nahavanon-doza, ary ireo olom-be to teny teo an-tanàna kosa nandamina ny raharaha avy eo. Taorian’izay, natolotra ny Filohan’ny Fokontany ilay ramatoa nahavanon-doza. Rehefa notazonina tao amin’ny Lehiben’ny Fokontany ity reny tera-bao nanindrona antsy tovovavy tsy ampy taona ity, dia tafaporitsaka tampoka tao raha nilaza hivoaka hanao maloto, ka tsy hita intsony nanomboka omaly naraina tokony ho tamin’ny telo ora, ary navelany irery tao an-trano izay nitazonana azy ny zanany zazamena vava telo volana. Raha vao naheno ny vaovao ny Ben’ny tanànan’i Mahasoa dia nidina haingana tany an-toerana nanokatra fanadihadiana, sy nanetsika ireo miaramilam-bohitra (andrimasom-pokonolona) hikaroka sy hanao hazalambo an’ity mpamono olona. Ilay tovovavy naratra mafy nihoson-drà voatsindron’antsy kosa, raha ny tati-baovao voaray farany, dia efa nahazo fitsaboana sahaza, ary mbola ny fianakaviany irery ihany aloha hatreto no miantoka azy.

Eric Nahoda

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici