- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Voaroba ny mpitondra, lasan’ny jiolahy ny taxi-moto

Sambava : Voaroba ny mpitondra, lasan’ny jiolahy ny taxi-moto

Nirongatra tato ho ato ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny distrikan’i Sambava, renivohitry ny faritra Sava, ka mampandry an-driran’antsy ny mponina. Amin’ny enina ora hariva, raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, dia efa matahotra mivoaka ny trano ny ankamaroan’ny olona, indrindra amin’ireo toerana maizina sy mangina. Afak’omaly, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina, lehilahy iray mpamily « taxi-moto » hamonjy fodiana no nosakanan’ny jiolahy nitam-piadiana teo amin’ny sampan-dalana hidina an’i Tsaramandroso, ambanin’ny Sinpa, ka lasan’ireo olon-dratsy ny findain’ity raim-pianakaviana, ary voaroba hatramin’ny « moto Milango » miloko manga nentiny.

Nahoda

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici