- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Voasambotra ilay mpamily bajaj mpanolana vehivavy

Sambava : Voasambotra ilay mpamily bajaj mpanolana vehivavy

Tao Tsararivotra, fokontany Ambodisatrana II, kaominina Ambonivohitra no nahasamboran’ny Polisy an’ity mpaily Bajaj ity. Vehivavy efatra no efa naolany izao izy tratra izao. Saika avy namonjy alim-pandihizana daholo ireo latsibatra ireo. Ity farany ity dia vehivavy avy namonjy alim-pandihizana tamin’ny reveillon 26/06/2018, izay natao tao amin’ny Magro teo aloha. Teo ho eo amin’ny 3ora sy sasany maraia , iny izy hody any an-tranony any amin’ny Fokontany Ambalamanasy ao amin’ny kaominina Sambava Ambonivohitra ka nanakana Taxi metre Bajaj ny marainan’ny 26/06/2018 lasa teo iny. Ity vehivavy ity indray no nitory azy  farany, tao amin’ny Polisim-pirenena eto Sambava. Naolany tany amin’ny maizimaina tany tao Tsararivotra, hono, izy. Hoy ilay vehivavy “ Efa tonga teo akaiky ny Moana glace ao Analamandrorofo izy ireo no nahodiny niverina tamin’ny toerana nialany any Sambava Centre ilay Bajaj nentiny ary hatraty Ambodisatrana II. Rahefa tonga tamin’ny toerana iray ao Tsararivotra izy ireo dia najanony tamoron-dàlana ilay Bajaj nentiny ary nidina izy ka nitsofoka tamin’ny lakoro iray izy. Nitondra palitao izy avy tao fa hoe mangatsiaka  izy, hoy ny teniny tamin’ilay vehivavy navelany tao anaty Bajaj. Raha nandeha koa anefa ilay Bajaj, dia tsy niverina hamonjy ilay toerana nikomandian’ilay vehivavy mba hodiany any amin’ny trano, fa vao mainka natsofony tamin’ny toerana maizina ilay Bajaj nitondra azy roa. Najanony avy teo ilay Bajaj ary nilainy hiraisany. Tsy nanaiky azy ilay vehivavy na dia nilazany izy fa hoe mbola anatin’ny fadim-bolana izy. Norahony hovonoina tamin’ny “canif” teny an-tnany ilay vehivavy mba hivoaka ny Bajaj ary mbola nampanantenainy tsy hovonoiny raha mivoaka. Rahefa tafavoaka ny Bajaj ilay vehivavy dia notsoritiny tamin’ny tànany nentiny tanaty lobolobo maizina ary nasainy niondrika sy nivadiny an-keriny sy tamin’ny rahona hovonoiny raha mikiakiaka sy mitory amin’ny Polisy na zandary. Nivoaka rà maro tamin’ny fivavian’ilay vehivavy ka nataony anaty “sachet” mba hasehony ny Polisy ilay lambany sy ny slip mihosina  rà. Rahefa notaritin’ilay vehivavy tamin’ny toerana nitsofohany tao Tsararivotra ny Polisy dia nandondona ny trano notondroin’olona teo akaiky dia nododonin’ny Polisy ny varavarana. Taorian’izany dia novohan’ ilay mpamily Bajaj ny varavarankely ary nitsambikina nivoaka tamin’ny vararankely ary nandositra. Nasain’ny Polisy mba hijanona izy fa tsy nanaiky, mainka mbola nandositra ihany. Eny fa na dia nalefan’ny Polisy aza ny “summation” in-telo misesy sy narahin’ny tifi-danitra. Farany dia notifirin’ny Polisy ka nahavoa ny tongony ary lavo izy ka nosamborin’ny Polisy. Mbola tsaboina eny amin’ny Hopitaly Betsopaka izy izao vao tohizan’ny Polisy ny famotorana azy. Nomarihin’ny Kaomisera vonjimaika eto Sambava fa efa fitoriana telo momba fanolanana vehivavy no nalefan’ny niharam-boina tany amin’izy ireo. Tato anatin’ny roa taona izao, dia efatra ny vehivavy naolany ka isan’izany ilay vehivavy naolany takaiky ny seranam-piaramanidina.

REMI Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici