- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Voasambotra ny mpisoloky gaigilahy amin’ny lalao Orange Madagascar

Sambava : Voasambotra ny mpisoloky gaigilahy amin’ny lalao Orange Madagascar

Tamin’ny sabotsy 07/02/2014 no tratran’ny zandary ao amin’ny Brigade des Recherches, teto Sambava ny lehilahy iray, 30taona, mpisoloky volaben’olona amin’ny lalao Orange Madagascar. Araka nambaran’ity lehilahy ity tamin’ny famotoran’ny zandary azy dia “apetany anjoanjo fotsiny ny  laharan na findain’olona fitahiny”. Andefasany hafatra am-bava io olona io avy eo hoe “ nahazo loka” tahaka izao tamin’ny lalao Orange ilay olona. Asainy mandefa vola  any amin’ny Orange Money koa ilay olona ary ambarany amin’io hafatra io ny laharan’ny finday andefasana ny vola ilaina mba handefasana any aminy ny loka azony. Vata fampagatsiahana, moto sy zavatra maro samihafa izay mavesabesa-danja sy vidy no soratany amin’ny hafatra an-tsoratra sy ambava. Hatrany Antsohihy, Ambilobe, Antsiranana ary aty Sambava no toerana misy ny olona fitahiny amin’io asa ratsiny io. Efa maro dia maro ny olona voafitany ka misy tonga mitaraina izany any amin’ny Orange Mcar eto Sambava fa tsy azony ny loka. Ambaran’ireo olona ireo ny laharan’ny finday niantsoana azy ireo sy ny nandefasany hafatra ary nandefasana ny vola nangatahiny. Maro tamin’ireo hafatra an-tsoratra no tsy voafafan’ireo olona ireo. Tamin’ny Boutique Orange Money iray teto Sambava izay nakany vola farany no narahina sy nahatratrarana azy farany izao.  Marihina faaraka ny voalazany tamin’ny famotorana nataon’ny zandary taminy dia efa tany amin’ny taona 2013 no nanombohany izao asa ratsy izao fa izao voalohan’ny vola 2015 izao izy vao tratra. Ny vola efa voamarina teny amin’ny Boutique Orange Money ka efa azony dia efa mitentina 2.000.000Ar. Tamin’izany koa no nahafantaran’ny tompon’andraikitry ny Orange Madagascar eto Sambava fa miovaova laharana finday ilery, izany hoe ny efa nahafitahany olona sy efa nahazoany vola dia tsy ampiasainy intsony fa mividy laharana vaovao hafa indray izy.

Nambaran’ny Talen’ny Masoivoho Orange Mcar eto Sambava hoe “ Misaotra betsaka  ny zandary  eto Sambava izaho sy ny Orange Madagasikara ary mankasitraka azy ireo koa amin’ny fahakingana sy fahaizana entin’izy ireo nikaroka sy nisambotra ity mpisoloky gaigilahy tarainan’ny mpanjifanay maro dia maro amin’ny toerana maro ity” Samy nanentana ny mpanjifa finday koa ny Lietna Kolonely, Komandin’ny Vondron-tobim-pileovana SAVA sy ny Talen’ny Masoivoho Orange Mcar eto Sambava hoe: ” Aoka ianareo mpanjifa finday mba hanatona mivantana ny masoivoho na finday ka anontanio ny tompon’andraikitra ny anton-dianareo momba ny loka lazaina fa azonareo mba tsy hahavoafitaky ny mpisoloky mora fotsiny anareo toy izao”

REMI, Rakotonirina

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser