
Araka ny nambaran’ireo roalahy avy ao Antsirabe Nord sy avy ao Tsaratanana, kaominina ambanivohitra Antsirabe Nord; izay tratran’ny zandary momba ny famonoana nahafaty an’ilay karana atao hoe Moustak, ny 23 Marsa 2015 a teo, dia lasa nandositra any Toamasina ny iray tamin’izy ireo. Izy izao tratran’iretsy zandary ao amin’ny Brigade des Recherches izay miasa eo anivon’ny GAPJ any Groupe d’Appui DE LA Police Judiciaire SAVA izao io. Tany Fenerive Est no nahatratraran’izy ireo azy. Nambaran’ny Lt Kolonely Talany, Fred, Komandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena aty amin’ny Faritra SAVA mantsy, fa tsilian-tsofina azon’iretsy zandary ramin’ny sary etsy ambony tamin’olona tsara sitrapo no nahatraran’izy ireo azy. Rahefa nahazo alalana manokana tany amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antalaha izy ireo dia niainga tany Fenerive Est. Nambaran’iretsy manamboninahitra Lefitra roalahy iretsy ,fa mahimahina io lehilahy io tany Fenerive Est, nanomboka ny 21 ka hatramin’ny 26 Mai teo, ka tsy nandalondalovany mihitsy tamin’ny voalohany ny tranon-dreniny misy efitrano vitsivitsy sady nonenany. Taoriana kelin’ny nahatongavan’ny zandary tany, dia nahazo tsilian-tsofina tamin’olona tany an-toerana indray ireo zandary ireo, ka nahatraran’izy ireo azy niserana fotoana fohy tao an- tranon-dreniny. Rahefa nataon’iretsy zandary iretsy ary ny famotorana azy, dia niaiky izy nony farany fa, nandalo teto Sambava tokoa izy tamin’ny volana Marsa 2015 lasa teo ary niaraka tamin’ireo roalahy efa voasambotra izy telo nanao ny asa ratsy. Efa natolotr’izy ireo ny fampanoavana izy.
REMI, Rakotonirina