- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Vola sandoka telo tapitrisa ariary saron’ny zandary

Sambava : Vola sandoka telo tapitrisa ariary saron’ny zandary

Ravim-bola iray alina ariary miisa 24 sy ravim-bola roa alina ariary miisa 150, samy vola sandoka avokoa. Ireo no saron’ny zandary tany amin’in ydistrikan’i Sambava iny, omaly maraina, raha nokasaina haparitaka tany an-toerana. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary tany an-toerana dia nisy vaovao tonga teny am-poto-tsofin’izy ireo mahakasika ny fisian’ny tambajotra iray mpanamboatra sy mpanaparitaka vola sandoka any amin’iny faritra Sava iny. Voalaza tamin’izay fa any amin’ny fokontany iray ao amin’ny kaominina Nosiarina, distrikan’i Sambava, no amaharan’ireo olon-dratsy ireo. Nisy avy hatrany, araka izany ny fidinan’ireo mpitandro filaminana tany amin’ilay toerana voalaza. Natao sarika am-pandriana tao an-tranony tao mihitsy ireo tontakely, satria dia tokony ho tamin’ny dimy ora maraina, omaly, no nigadona teo am-baravarana ireo zandary. Tsy afa-nankaiza intsony ireo olona tao an-trano. Tra-tehaka tamin’izany ireo ravim-bola sandoka mitentina eo amin’ny 3.240.000 ariary. Ambonin’izay dia voalaza fa nisy fitaovana maromaro fanaovana izany vola sandoka izany tratra tao an-toerana. Fantatra moa, raha ny fampitam-baovao azo hatrany, fa olona telo no niara-nosamborina tao amin’io trano io, izay voarohirohy amin’izay fanamboarana, fitazomana, ary fanaparitahana vola sandoka izao. Nentina natao andrimaso teny amin’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandary tao Sambava ireto olona ireto, mba hanaovana famotorana. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana mahakasika ireo izay mety ho mpiray tendro amin’izy ireo amin’izao raharaha vola sandoka izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici