Tsy hita izay nanjavonan’ny dosie ary ilay zaza niharan’ny fanolanana kosa mitondra vohoka. Vao 13 taona monja anefa izy ary voatery naiditra hopitaly mba hanaraha-maso ny fiterahany, noho izy mbola kely loatra ny hiatrika an’izany. Tany ambanivohitra iray antsoina hoe Amboangibe no niseho ilay heloka bevava ary tsy iza fa ny raikeliny ihany no tompon’antoka tamin’izany. Vokatry ny fampitahorana azy, dia tsy sahy nilaza ny zava-nitranga taminy mihitsy ilay zazavavy. Tsy takona nafenina intsony anefa ny fiovan’ny toe-batany, isan’izany ny kibony efa nanomboka hita. Teo dia nitantara ny zava-drehetra amin’izay izy. Nivoaka amin’izy teo fa ny raikeliny ihany no tompon’antoka tamin’ny fanolanana azy. Nisy ny fitoriana nataon’ny fianakaviana ary efa niakatra teo anivon’ny fitsarana tao Antalaha aza ny raharaha tamin’ny volana jolay lasa teo. Very an-javony tampoka anefa izany, hoy ihany ny fianakaviana izay nilaza fa very ny taratasy fitoriana sy ny dosiem-pitsarana rehetra momba ity raharaha ity. Manahy mafy ny fianakaviana, fa nisy kolikoly avo lenta mahakasika an’ity raharaha ity ary manintona ny sain’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny raharaha.
D.R