Samy efa hita ny nofo mangatsiakan’ny tovolahy kely roa niara-nilomano, natelin’ny ranomasina tany Sambava, ny alatsinainy antoandro teo, tokony ho tamin’ny iray ora. Adiny iray taorian’ny antso vonjy ka nifanampian’ny fokonolona tamin’ny fanavotana azy roalahy tao anaty ranomasina, no hita ny fatin’ny tovolahy kely iray 13 taona, raha afak’omaly naraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany mahery kely tany ho any, no natopan’ny onja vaventy ny razan’ny zazalahy faharoa. Araka ny tati-baovao voaray dia ankizy efatra mianadahy mpiray vodirindrina monina ao amin’ny fokontany Antananaribo no niara-nilalao ka nifampitaona nankeny amoron-dranomasina tao amin’ny vinanin-dranon’ Antaimby. Ny roalahy no nilomano fa tsy sahy nijoboka an-drano ny zazavavikely iray. Ny ankizilahy fahefatra izay moana no niandry ny akanjo (pataloa roa sy kapa iray ary akanjo iray) teny amin’ny tora-pasika. Raha vao niletika tsy nipoitra intsony ireto ankizilahy roa niara-nandro sempotra, dia nihazakazaka haingana nampandre ny olona teo akaiky teo ity ankizivavy sady nampilaza ny ray aman-drenin’ireo zaza tra-doza. Raha ny fanazavana azo dia saika isan-taona dia mamono olona foana ity vinanin-drano misy mistery miafina tsy takatry ny saina ity. Ary matetika dia ireo vahiny hatrany no atelin’ny ranomasina eo.
Eric Manitrisa