- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Zazavavikely 2 taona narian-drainy teny amoron-dalana

Sambava : Zazavavikely 2 taona narian-drainy teny amoron-dalana

Zazavavikely sahabo ho roa taona eo no nisy nanary teny amoron-dalana, afak’omaly tolakandro, tao amin’ny fokontany Antaimby, an-tampon-tanànan’i Sambava. Raha ny vaovao voaray, dia taitra ireo mpiantsena tao Antaimby raha nahita an’ity zaza nitsirara natory tamin’ny tany, ka vory ny olona nijery, ary tao anatin’izany no nisy nahafantatra ny anaran’ny ray aman-drenin’io zaza nisy nanary io sy ny adiresiny. Nampahafantarina ny Polisy tao amin’ny Kaomisaria Sambava Centre ny zava-misy, ary nentin’ireo olona tsara sitrapo teny amin’ny hopitalibe Besopaka kosa ilay zaza, saingy tsy nahitana soritr’aretina izy, hoy ny mpitsabo, ka nasaina niverina. Nony hariva ny andro, nipoitra teny amin’ny biraon’ny Polisy ny renin’ity zaza, ary nanazava tamin’ny mpitandro filaminana, fa tsy nanary anaka izy, fa « noho tsy fandraisan’ny rain-janako andraikitra amin’ity zaza tsy salama, dia voatery nomeko azy ilay zaza raha sendra nifanojo teny an-tsena izahay, kinanjo dia nilaozany io zanakay io », hoy Rtoa Noé mipetraka ao Antanifotsy Sambava.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici