Ankizivavy 8 taona avy namaky trano no voasambotry ny fokonolona, ny Alatsinainy 04 Aogositra teo, tao Sambava. Araka ny fampitam-baovao, in-droa no nidiran’ity ankizy ity io tokantrano io, izao izy tratra izao. Tamin’ny voalohany, nihanika varavarankely ilay zazavavy raha iny variana miresaka any ivelan’ny trano sady maka rivotra iny ny tompon-trano. Nosavasavainy avokoa ny paoketra sy kitapo, ka firavaka iray no hitany. Noraofiny koa ny dibera teo ambony latabatra. Niditra tampoka anefa ny tompon-trano dia akory ny hatairana nahita olona tao an-trano ka niantso vonjy, fa misy mpangalatra. Niporitsaka nandositra niaraka tamin’izay ilay ankizivavy kely ka nenjehin’ny Fokonolona fa tsy tratra. Antsasan-kadiny taty aoriana dia niverenany fanindroany indray ilay trano, ka teo izy no tra-tehaka.
T.M.