Zazavavy kely vao sivy taona monja no rovitra fivaviana sy lava-body naolan’ny anadahin-dreniny, ny 18 martsa lasa teo, tany Bemanevika Distrikan’i Sambava. Raha ny fanazavan-dRtoa Zafizara Antonia (032 45 308 95), renin’ilay zaza niharan’ny herisetra ara-nofo, dia « mitondra takaitra Raelisoa Canizia ankehitriny, satria noho ny tsy fisiam-bola dia voatery nivoaka ny hopitaly izahay, nefa tokony handalo fandidiana ny zanako rahampitso 17 mey. » Mba hanohizana ny fitsaboana an’ity zaza simba tanteraka naolan’ny dadatoany ity, dia mangataka fanampiana amin’ny malala-tanana ny Ray aman-dreniny.
Raha hiverenana ny zava-nitranga, herinandro taorian’ny fanolanana azy vao tsikaritry ny Ray aman-dreniny fa hafahafa ilay zaza, satria noho ny fandrahonana ho faty nataon’ilay dadatoany, nanolana azy, dia niaritra sy nanafina ny nanjo azy i Canizia. Taorian’ny fotoana nahitana ilay tranga fanolanana, dia nametraka fitoriana ny Ray aman-drenin’ ilay zaza. Nosamborina ilay nahavanon-doza ary tazomina am-ponja vonjimaika ao Antalaha amin’izao fotoana. Ilay zaza kosa notsaboina tao amin’ny hopitalibe Besopaka Sambava.
Eric Manitrisa