Raha mbola miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy ireo tera-tany sinoa 15 lahy mpiasa tao amin’ilay sambo Flying, raha tafatsoaka any Chine ny roa, raha nomena EVASAN noho ny aretiny, izay tratran’ny fanjakana Malagasy nihaodihaody tao avaratry Toamasina sy Madagasikara saika hanao trafika na andramena ny taona nivalona iny nandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ; dia misy olana ny sambon’izy ireo gejaina eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Raha ny fanazavana azo, dia misy anjombona maneno foana ao anatiny isaky ny alina, mihodina hatrany koa ny motera mamelona ny herinaratra ao anatiny vao maizina ny andro, ary manomboka mitongilana ihany koa ny sambo ankehitriny noho ireo lakaly samy hafa tsy mihidy ka voalaza fa manomboka feno rano ny sambo noho ireo oram-be teto Toamasina tato ho ato. Misy hatrany ny fampiantsoana azy ireo eo anivon’ny fonja ben’i Toamasina mijery ny zava-misy ary saika voavaha amin’ny ampahany hatrany izany, satria miverina hatrany ny olana isaky ny alina ny andro. Vokatr’izany mba hahafahan’ny seranan-tsambo mijery ny tena zava-misy amin’ny alalan’ireo teknisiana ao aminy, dia nisy ny fakana vadintany nanamarina ny fanadihadian’ny seranan-tsambo tao anatin’ity sambo ity, niaraka tamin’ireo mpanamory sy ny komandan’ny sambo, mba hentina hamahana ny olana sao hampidi-doza eo anivon’ny seranan-tsambo ny zava-misy ao amin’ity sambo Flying ity. Tsy maintsy hisy koa ny ho fanarenana ity sambo ity izay efa mitongilana ankehitriny mba tsy ho loza mitatao amin’ireo sambo madinika eo anivon’ny « quai plage » mpanao zotra mianavaratra sy ireo « caboteurs » mandalo eo akaikin’ity sambo Flying mitongilana ity. Raha ny vaovao, dia eo am-pandinihana izany ny eo anivon’ny seranan-tsambo izao ary mety hisy mihitsy ny mety ho famindrana toeram-piantsonana ho an’ity sambo Flying ity izao.
Malala Didier