- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambo malagasy nirehitra tany Maorisy : Maty ilay “mécanicien” malagasy, nigadra...

Sambo malagasy nirehitra tany Maorisy : Maty ilay “mécanicien” malagasy, nigadra kosa ilay injeniera

Noho ny hamafin’ny fery sy ratra vokatry ny fahamaizana nahazo ilay lehilahy malagasy, Nazaraly Maoledine, 52 taona, may tamin’ny nirehetan’ilay sambo malagasy “Diego Star 2”, tany Maorisy ny asabotsy 13 aogositra lasa teo, dia tsy tàna intsony ny ainy, rehefa avy nialana nenina tao amin’ny hopitaly “Princess Margaret Orthopedic Centre” any Candos. Raha zohina ny zava-niseho, sambo mpanjono malagasy iray no nirehitra noho ny antony tsy fantatra tany amin’ny moron’ny ranomasin’i Maorisy. Saika hamonjy ireo olona tao anatin’ity sambo ity ilay lehilahy malagasy izao may izao, ary io nindaosin’ny fahafatesana io.  Raha ny tatitra voarainay avy any an-toerana dia voalaza fa nisy olona 80 tao anatin’io sambo io nandritra ny firehetany, ka 51 amin’izy ireo no mpanjono ary ny 11 hafa kosa manamboninahitra. Ilay lehilahy Malagasy maty io kosa dia “pompiste” no asany ary nirahina hamantsy lasantsy ireo mpanjono izay handeha hanjono any amin’ny sisin-dranomasin’i Saint Brandon izy tamin’io fotoana nahamay ilay sambo io. Lasantsy 20 litatra sisa no teny aminy. Taorian’ny fanadihadiana lalina notanterahin’ny teo anivon’ny departemanta samihafa toa ny “Criminal Investigation Division” (CID) sy ny “Mauritius Shipping” ary ny “Electrical Services Division” (ESD) dia fantatra fa avy amin’ny sefo injeniera, Perry Permal Yogenbrun, ny fahadisoana. Nosamborina araka izany ity farany noho ny antony “homicide involontaire par imprudence” na famonoana olona tsy nahy noho ny tsy fitandremana. Naiditra vonjimaika am-ponja ity farany, eny amin’ny polisy ny “Piton”. Fantatra ihany koa fa efa tonga eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity ny Kapitenin’ilay sambo Malagasy nirehitra. Andrasana araka izany ny mety ho tohin’ny famotorana sy fanadihadiana rehetra.

Niony H.

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici