Maherin’ny 20 andro aty aoriana, mbola misy olona tsy hita isan’ny mpandeha tamin’ny sambo Francia III. Tsy hita faty, tsy hita velona ary mbola andrandrain’ny fianakaviany ny hahitàna azy ireo. Efa nitsahatra ny fikarohana rehefa hita ny ankamaroan’ireo mpandeha. Tsiahivina ihany fa 88 ny razana hita natsingevan’ny rano. Mahakasika ny fanadihadiana kosa indray dia isan’ny novoizina ny nitsoahan’ny mpanamory ny sambo sy ny tompony. Nisy filazàna fikarohana mahakasika ilay sambo fa tsy mbola misy vaovao ofisialy mihitsy kosa ny momba ny tompony. Hatreo ny mpanara-baovao dia manahy sao mba vitavita ho azy fotsiny ny raharaha izay isan’ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina nahafatesana olona betsaka indrindra teto amin’ny firenena. Miandrandra fanadihadiana tena lalina ny olona. Eo ihany ny fanenjehana ara-pitsaràna, fa ny tena andrandraina kosa dia ny mba tsy hiverenan’ny loza toa iny intsony. Raha any amin’ny tany mandroso dia tsy vita mora foana ny zava-misy nahafatesana olona maro toy ireny. Hatreto aloha dia voizina matetika ny hoe sambo nandeha an-tsokosoko ary ny rihitra rehetra izany dia nailika any amin’ny mpanamory sy ny tompon’ny sambo.
D.R


