Niainga tao Nosy-Be ny sambokely “kwassa-kwassa” izay matetika fitaterana olona amin’ny toerana mifanakaiky, na koa ampiasain’ny mpanjono raha hiditra amin’ny ranomasina somary misintaka ny moron-tsiraka. Tamin’ity indray mitoraka dia nampiasaina io fitaovana io mba hitondràna ireo olona mitsoa-ponenana te-honina ao Mayotte. Rehefa tsikaritry ny mpandraharaha ny fadin-tseranana tao amin’ny nosy rahavavy anefa dia nenjehina avy hatrany. Rehefa voadona ny tapany aoriana dia nilentika ilay sambo ka nitarika ny fahafatesan’ny olona maromaro. Dimy no hita faty ny andron’iny. Ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ao Nosy-Be kosa dia nanamarika fa nitombo ny isan’ny maty. Valo raha araka ny vaovao nampitaina teo anivony. Nisy zaza amam-behivavy tao anatin’ireo namoy aina. Mitsoaka ny Malagasy noho ny fahantrana ary mieritreritra ny hahazo fiainana tsaratsara kokoa, satria Mayotte dia departemanta frantsay. Ao anatin’ny ketrika ny hahazo taratasy rehefa mipetraka elaela any an-toerana sy velomin’ny asa an-tselika. Haverina ny razana ary mbola mety higadra aza ny mpanamory ilay sambo raha toa ka velon’aina noho ny vonoan’olona tsy niniana. Ary ny sambo Mahorais izay nandona kosa ka nitarika ny faharendrehana mba ahoana? Hatreto dia tsy nisy ny manam-pahefana nitsangana ka niaro ity tranga ity…
D.R