- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSampam-draharahan’ny hetra Toamasina : Miandrandra fanovàna ny mpiasa sy ny mpanjifa

Sampam-draharahan’ny hetra Toamasina : Miandrandra fanovàna ny mpiasa sy ny mpanjifa

Milaza ny hametraka fitsinjaram-pahefana tena izy sy matotra ny fanjakana, ka ny voalohany amin’izany, hoy ny isam-paritra, dia ny fametrahana ny zanaky ny faritra amin’ny fitondrana fampandrosoana ny faritra niaviany avy. Taorian’ny fihaonam-ben’ny fifakambanana ADOPT Toamasina ny 06 avrily lasa teo dia nahatsapa izy ireo fa tsy tanteraka eto Toamasina mihitsy io hevitra tian’ny fanjakana hapetraka amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana io, hany ha mahatsiaro ho atao ankilabao tanteraka ny faritan’i Toamasina amin’izay lafiny izany. Mahatsikaritra izany ihany koa ireo tanora avara-pianarana zanaky ny faritan’i Toamasina izay mazana tsy mahazo ny andraikitra ambony mba sahaza ny mari-pahaizany mihitsy amin’ny faritra niaviany, nefa efa maro tamin’izy ireo no efa nihazona toeran’ny tale samihafa teto amin’ny firenena fa tsy mba nahazo izany avy amin’ny faritra niaviany izay tiany hampandrosoana ihany koa. Tena ahitàna izany fanilikilihana izany, hoy ireo zanaky ny faritan’i Toamasina isan’ny avara-pianarana sy efa tale samihafa ireto, ny eo amin’ny sehatry ny fananan-tany, ny fadin-tseranana, sampan-draharahan’ny hetra, ny sampan-draharahan’ny fitantanam-bolan’ny faritany. Nefa ny mahagaga, hoy izy ireo izay mahatsiaro tena atao anjorombala, dia afa mihitsy ny zava-nisy tamin’ny 14 aogositra tamin’ny fanendren’ny fanjakana ireo tale sy tompon’andraikitra samihafa teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, fa saika zanaky ny faritra sy faritany samy hafa avokoa no napetraka tamin’ny toerany, afa-tsy ny teto Toamasina ihany. Koa amin’izao ho fanendrena ny tompon’adraikitra samihafa ao amin’ny foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra, dia takian’ny zanak’i Toamasina mba ho izy ireo no ho eo hahafahan’izy ireo mampandroso ny faritra misy azy tahaka ny efa nataony tany amin’ny faritra hafa niasan ‘izy ireo hatramin’izay teo aloha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici