Nanao tatitra mikasika ny fitsarana ady heloka bevava andiany faharoa, ny 04 novambra hatramin’ny 16 desambra 2024 lasa teo, ity sampampitsarana ity aoToamasina. Tamin’izay no halalana araka ny nambaran’ny filoha vonjy maika raha lasa nisotro ronono ny filoha teo aloha, Rtoa Rasoavolona Perrault Zafinera, fa niisa 13 ireo mpitsara mpamoaka didy nifandimby isaky ny antontan-taratasinady – efatra ireo mpampanoa lalana ambony nifandimby isan-kerinandro – ankoatran’ny mpisolovava sy ireo mpirakidraharaha isan’andro. Niisa 147 ireo antontan-taratasinady notsaraina, ka teo ireo nihemotra ny famoahana ny didy – teo ireo didy fampisamborana navoaka – ary teo koa ireo famohana didy natao. Ny resaka vono olona no maro tamin’ny antontan-taratasy izay niasa 45, ny faharoa tao anaty antontan-taratasinady ny fanafihana mitam-piadiana izay niisa 29, ary ny fahatelo tao anaty antontan-taratasinady ny resaka fanolanana izay namoahan’ny fitsarana teto Toamasina voalohany ny didy famosirana ho an’ny rangahy iray mpanolana teto Toamasina. Ankoatra izany dia matetika dia tsy tonga miatrika ny fotoam-pitsarana ny mpitory sy ny mpangataka onitra mamdritra ny fitsarana, hany ka mora amin’ny voapanga ny mandà ny zavatra nataony eo anoloan’ny fitsarana, na efa nanaiky ny fanaovana izany izy ireo mandritra ny fanadiadiana ataon’ny mpitsara mpanao fanadiadiana amin’izy ireo. Eo no mazana manahirana amin’ny antontan-taratasinady ady heloka bevava, saingy tsy maintsy mandray ny andraikiny ihany ireo mpitsara sy ireo mpitsara mpanampy notsongaina tamin’ny fiaraha-monina amin’ny didy avokoan’izy ireo mamonja ilay olona voapanga. Fantatra nandritra ny fanazavana ity fa hitohy amin’ity taona vaovao 2025 ny fitsarana ady heloka bevava, ka ireo antontan-taratasinady rehetra efa vita fanadiadian’ny mpitsara dia hiakatra fitsarana avokoa, ireo mbola tsy vita kosa ho hafainganina izany hoy ny mpitsara.
Malala Didier