- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversSampana Bianco Toamasina : Nahatratra 439 ny fitarainana voaray, ireo CDD no...

Sampana Bianco Toamasina : Nahatratra 439 ny fitarainana voaray, ireo CDD no tena be mpitory…

Natao ny alakamisy teo ny fampahafantarana nataon’ny Bianco sampana Toamasina ny tatitry ny asa vitany ny taona 2021. Tompon’andraikitra ara-panjakana maro no nasaina nandritra izany, na fantatra aza araka ny fanazavan’ny Bianco Toamasina fa ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (CDD) no tena be mpitaraina eo anivon’izy ireo.

Raha ny tarehimarika dia nahatratra 439 ny fitarainana voarain’ny Bianco sampana Toamasina, ka ny 20% tamin’izay no nanokafana fanadihadiana. Nahatratra 60 teo kosa ny antontan-taratasin’ady natolotra ny fitsarana, ka olona 241 no voarohirohy nandritra izany, ary olona 27 no nahazo fampidirana am-ponja vonjimaika. Olona 16 kosa no namoahan’ny fitsarana fanarahamaso ara-pitsarana. Araka ny fanazavan’ny Bianco Toamasina ihany dia tsy nisy afa-tsy olona 661 no nanao fanambaram-pananana tamin’iny taona 2021 iny.

Ankoatra izany dia nahavita asa fanabeazana sy fisorohana ihany koa ny Bianco Toamasina, na teo aza ireny valan’aretina Covid-19 niaraha-niaina teto ireny. Isan’ireny ny fampiharana ny rafitra entina miady amin’ny kolikoly, na STAC. Miisa 41 izy ireo no miasa amin’izao eto Toamasina, ka ny fanabeazana ny mpiasam-panjakana sy ny mpanjifany no tena asany. Teo koa ireo tantsoroka eny amin’ny sehatry ny sekoly ka namoronana ilay hoe “aok’izay ny kolikoly”. Nisy 282 ireo olom-pirenena voakasika tamin’izany, ka onjam-peo 21 no resy lahatra nampita izany maimaimpoana. Teo koa ny fampijoroana ny tambajotran-tanora mandà kolikoly sy manana fitondran-tena madio eo anatrehan’izany, ka nisy 19 ireo sekoly nandray anjara tamin’iny taona nivalona iny. Tanora 600 no novolavolaina nandritra izany rehetra izany tamin’izay.

Ankoatra izany dia sarona teto Toamasina ihany koa ireo menaka mitampoka raha nangingina ilay solika mifangaro, ka mpivarotra mpanao hanimasaka maro no efa tratra tamin’izy ity. mpivarotra hanimasaka iray tao Andranomadio P/elle 11/41 no efa lasibatra ka nahay nitantara ny nanjo azy. Raha ny filazany dia rano mangatsiaka no betsaka amin’ity menaka fa ilay menaka zara raha misy. Raha ny nambarany dia iray volana lasa no nahavoa azy tamin’izany, ka lehilahy iray tokony ho 40 taona no tonga teo aminy nivarotra menaka “en vrac”. 7.000 ariary ny litatra tamin’izany ka nilaza fa homeny ahy ho 6.000 ariary ary naka 05 litatra ilay mpivarotra hanimasaka.

Tsy ity mpivarotra ity ihany anefa no lasibatra tamin’ity menaka mitampoka ity fa mpivarotra hafa ihany koa, izay namarotany menaka hatrany amin’ny 10 bidao. Ny loza anefa dia tsy ilay menaka ihany no nahavoa ity mpivarotra ity fa ny findainy koa dia lasan’ireo mpisoloky raha variana naka ny vidin’ilay menaka ilay mpivarotra.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici