- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSampana DEGMIA Barikadimy Toamasina : Hifarana ny 30 septambra izao ny taom-pianarana...

Sampana DEGMIA Barikadimy Toamasina : Hifarana ny 30 septambra izao ny taom-pianarana 2018 – 2019

Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety nilazany ny faran’ny taom-pianarana 2018 -2019, sy ny taom-pidirana, ny taom-pianarana 2019 – 2020, ary ny taom-pisoratana anarana eo aminy, ny sampam-pianarana DEGMIA ao Barikadimy Toamasina, araka ny nambaran’ny Sojabe, Atoa Razanakolona Diny. Fantatra manomboka izao fa hifarana ny 30 septambra 2020 izao ny taom-pianarana 2018 – 2019, ka nentanina tamin’izany ireo mpianatra rehetra mba hanatitra ny valin’ny laza adina nalaina tamin’ny tranonkalan’ny Oniversite, mba hanatitra izany eny amin’ny biraon’ny DEGMIA hahafahana mamoaka ny naotin’ny mpianatra amin’ity taom-pianarana mifarana ity. Manomboka amin’ny 08 oktobra any ho any kosa ny fanombohan’ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra, indrindra ireo hiditra taona voalohany, ary ny 02 novambra no miditra ny taom-pianarana 2019 – 2020 araka ny tapaky ny fivoriam-ben’ny filoha sy ny sojaben’ny oniversite manerana ny Nosy. Haharitra 07 volana ny taom-pianarana aorian’ny fidirana amin’ity taona ity. Ireo sampam-pianarana tsy miankina eo anivon’ny DEGMIA ao amin’ny oniversiten’i Toamasina ihany koa dia manaraka izay lalan’ny fidirana sy fisoratana anarana izany ihany koa. Isan’izany ny fampianarana ampitain-davitra ao aminy; izay misy ny sampam-pampianarana, lalàna (Droit) – sy ny toekarana (Economie) – ary ny fitantanana (Gestion). Ny sampam-pianarana momba ny tolobidim-panjakana (marché pubic) miaraka amin’ny PRMP; ary ny sampam-pianarana momba ny fitantanana ny seranan-tsambo sy ny manodidina azy (gestion portuaire et logistique) miaraka amin’ny SMMC. Samy sampam-pianarana tsy miankina hahazoana ny maripahaizana “licence professionelle” sy ny “master professionnel” avokoa izy rehetra ireo, ary afaka miasa avy hatrany ireo mivoaka avy ao. Mikasa ny hamoaka ny mpianatra ao aminy koa ny DEGMIA izay antsoina hoe “Masova”, izay efa namoaka andiany misy mpianatra 200 ny taona lasa, saingy mbola miandry ny fahavitan’ny hamehana ara-pahasalamana dia hatomboka izany. Nambaran’ny Sojaben’ny DEGMIA kosa, fa ireo efa nandoa ny saram-pianarana farany teo, 2018 – 2019, ho an’ny taona voalohany vao hiditra, dia ny 300.000 ariary ny saran’ny fiofanana ihany no haloany, hahafahany manomana dieny mialoha ny taona voalohany hidirany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici