- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversSampandraharahan’ny hetra Vakinankaratra : Natomboka ny  “Anjara hetrako”

Sampandraharahan’ny hetra Vakinankaratra : Natomboka ny  “Anjara hetrako”

Notanaterahina teto Antsirabe nanomboka omaly ny “Anjara hetrako”, hetsika izay tontosain’ny sampandraharan’ny hetra hampidirana ireo tsy mbola ara-dalana eo amin ‘ny sehatry ny fihariana sy fandraharahana ho ara-dalana. Natao ity hetsika ity mba hanamorana ny fandoavan-ketra sy hanentanana ny olona, sy ny mpandraharaha hiditra amin’ny sehatra ara-dalana amin’ny alalan’ny fandoavan-ketra. Haharitra efatra  andro ny hetsika ka  teo amin’ny tsangam-bato no nanaovana izany omaly, hitohy anio Talata eo avaratsena Sabotsy, ary hihazo an’Ambohibary ny Alakamisy raha toa ka hofaranana ao Betafo ny zoma ho avy izao. Hamoraina tanteraka ny fomba hahazoana karatra fiscal mandritra ny efatra andro ka  na inona na inona fitadiavana hatao dia ferana ho ariary 16000 monja no aloha. Ankoatra izay tsy misy fitakiana antontan-taratasy maro fa fanamarinam-ponenena sy dika mitovy ny karapandro no ilaina dia azo eo noho eo ny carte fiscal.  Amin’ny maha minisitra mpiahy ny faritra vakinankatra an’i Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy dia tonga nanotrona ity hetsika ity ny tenany. Nambarany tamin’ny fandraisam-pitenenany ny maha-zava-dehibe ny tokony hidirana eo amin’ny sehatrany ny ara-dalana sy ny tombontsoan’ny fandoavan-ketra. Amin’ny alalan’ny hetra hoy izy no hananterahana ny fandaharan’asa sy fanaovana foto-drafitrasa, tamberin’andraikitra sy valin’ny hetra alohan’ny vahoaka.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici