- Publicité -
vendredi, janvier 16, 2026
AccueilFaits-DiversSampan’ny CRO Atsinanana : Nanolotra fanampiana azy ireo ny fikambanan’ireo tera-tany karana...

Sampan’ny CRO Atsinanana : Nanolotra fanampiana azy ireo ny fikambanan’ireo tera-tany karana zanatany

Natao ny zoma maraina tao amin’ny trano filanonan’ny faritra atsinanana misy ny birao fiasan’ny CRO atsinanana, ny fanampiana avy amin’ny fikambanam-ben’ireo tera-tany karana zanatany, « CIZAM »,  eto Madagasikara sampana Toamasina. Hita tao avokoa ireo filohan’ny fikambanan’ireo tera-tany karana isam-pokony avy, izay Atoa Akil Cassam avy amin’ny orinasa Scim no nitondra teny azy ireo nandritra ny fanolorana ireo fanampiana samy hafa. Nahitana vary, paty, savony…ary fanasana tanana samy hafa, ireto fanampiana ireto. Araka ny fanazavan’ireto tera-tany karana zanatany ireto dia natokana ho an’i Toamasina II ireto fanampiana natolotra izy ireo ireto, ka niara-nandray izany tamin’ny governora atsinanana izany, ny depioten’i Toamasina II izay nilaza ny fahafaham-pony satia sambany no nahazo fanampiana ho azy manokana tahaka izao ny distrikan’i Toamasina II, na teo aza ny fanampiana ny Vatsy Tsinjo avy amin’ny fanjakana nosantarina tao amin’ny kaominin’Antetezambaro ny alarobia teo. Raha ny nambaran’ny governora ny faritra atsinanana koa dia miankina amin’ny kabary izay hataon’ny filoham-pirenena ny alahady izao indray no hamaritan’izy ireo koa ny paikady ho entina hitondrana ny asan’ny CRO na hijanona na hitohy ny fampiaharana ny tany misy hotakotaka sy ny fepetra ny fihobohana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici