Nandritra ny tatitry ny fari-piadidian’ny Bianco Toamasina izay nataony ny zoma misandratr’andro teo tao amin’ny birao fiasany, dia mbola mitana ny laharana voalohany amin’ny fitorihana sy fitorian’ny olona tonga eny amin’izy ireo ny eo anivon’ny fitsarana, satria miisa 151 izany ny taona 2019. Manaraka azy izay mbola mitana ny laharana faharoa sy fahatelo ny fitsinjaram-pahefana sy ny kaominina ary ny fananantany izay nahazoan’ny Bianco Toamasina fitorohana sy fitarainana miisa 134 sy 114 ny taona lasa. Ny nanaitra sy voahazon’ny zandary sy ny polisy ny fanamby nataon’izy ireo ny ho fampidinana ny laharan’izy ireo amin’ny ireo mpitoroka sy mpitory azy ireo eny amin’ny Bianco, ka ny taona lasa iny dia laharana faha-06 sy laharana faha-07 ny zandary sy ny polisy. Raha hatambatra dia miisa 865 ny fitorihana sy fitoriana voarain’ny fari-piadidian’ny Bianco Toamasina, saingy ny 129 no azo nanaovana fanadiadiana raha niisa 54 ireo nakarina teo anivon’ny fitsarana nisy ny heloka misahana ny raharaha tsirairay avy, ka ny antontan-taratasin’ady 20 tamin’izany ny fitsarana teto Toamasina isan’izany ny raharaha ny ben’ny tananan’i Toamasina teo aloha Dr Ratsiraka Elisé, sy ny antontan-taratasin’ady 06 nampidirina teo anivon’ny fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly Antananarivo na ny PAC ka isan’izany ny raharaha nanenjehana an’Atoa Rajaonah Mbola. Raha tsinjaraina koa ireo antontan-taratasin’ady niakatra fitsarana ireo dia nahitana mpitsara sy mpirakidraharaha 02 avy, 11 ny mpiasan’ny kaominina, 05 zandary, 03 ny polisy, 04 eo anivon’ny fananantany,…raha miisa 08 ny eo anivon’ny fampianarana eto Toamasina.
Malala Didier