- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : « Sarimbavy » nampianatra nanolana lehilahy, nadoboka eny Tsiafahy

Ambohimangakely : « Sarimbavy » nampianatra nanolana lehilahy, nadoboka eny Tsiafahy

Bandikely 16 taona teto ny mpianatra ary zazalahikely vao efa-taona monja no nataony lasibatra. Rehefa natao ny famotorana dia nilaza iry voalohany fa lehilahy sarimbavy 18 taona no nampianatra azy ny hiray amin’ny lehilahy ary nampianatra azy hanolana ihany koa. Niara-nosamborina ireto farany ary samy nadoboka am-ponja.

Tranga mampivarahontsana sy tsy dia fahita firy no nitranga tao amin’ny tananan’Ambohimitsara, kaominina Ambohimangakely ny alakamisy teo. Tonga teny am-poto-tsofin’ny zandary mantsy fa nisiana trangana herisetra ara-nofo tao amin’io tanana io, ary ny zaza tsy ampy taona no lasibatra : zazalahy … Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana ary nosamborina avy hatrany ny nahavanon-doza, izay lehilahy mitovy aminy ihany ary mbola tsy ampy taona ihany koa, saingy manana fironana ara-nofo tsy « nôrmaly » hoy ny zandary.

Rehefa nentina natao famotorana ity farany dia nilaza fa nisy nampianatra izy ny hiray amin’ny lahy samy lahy. Sarimbavy iray, mpiara-monina amin’izy ireo ihany, 18 taona ary efa elaela ihany no niaraka izy ireo ary izy avokoa no nampianatra an’ity bandikely ity ny zavatra fantany, izay tonga hatrany amin’izao fanolanana izao mihitsy. Tsy nisalasala araka izany ny zandary nisambotra azy ihany koa. 

Ny zoma teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy roa lahy ireto ka ny iray navantana avy hatrany eny Tsiafahy, raha nalefa eny amin’ny fitaizana zaza maditra eny Anjanamasina kosa ilay tsy ampy taona.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici