- Publicité -
samedi, août 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSarobaratra-Betsiboka : Dahalo 30 nandroba omby 190, raikitra ny fifampitifirana.

Sarobaratra-Betsiboka : Dahalo 30 nandroba omby 190, raikitra ny fifampitifirana.

Tsy mitsisy ny mpitandro ny filaminana any amin’ny Kaominina Sarobaratra, amin’ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny ady amin’ny asan-dahalo. Nahazom-bokatra ny hetsika nataon’ny Zandary, raha ny fanazavana azo avy amin’ny lefitry ny kaomandan’ny tobim-pileovana eto Betsiboka. Nisehoana asan-dahalo tao amin’ny tanàna antsoina hoe Fiadanana, kaominina Sarobaratra, disitrikan’i Tsaratanàna. Omby miisa 190 an’Atoa Ndrialaza sy ny namany, samy monina ao Fiadanana ihany. Vao lasa nandositra ireo dahalo miisa 30 lahy nanafika niaraka tamin’ny omby, dia naka toerana nahafahana nifandray an-telefaonina sy nampandre ny mpitandro ny filaminana ireo fokonolona any an-toerana. Vao naheno vonjy taitra ny Zandary miisa enina avy ao amin’ny « Poste Avance Sarobaratra, izay notarihan’ny GPIC Nirintsoa Eliza Natolonjanahary, dia nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Rehefa naharay antso tamin’ny alalan’ny laharana maitso 119 ny zandary tety Maevatanàna dia, nandefa zandary miisa folo niaraka amin’ny fiara 4X4 tsy mataho-dalàna vao nomen’ny lehiben’ny faritra Betsiboka mba ahafahana mamonjy any an-toerana malaky. Nanao sakana tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambavadihala, ao amin’ny kaominina Bekapaika mba hanao ( Bouclage.) Tsy lasa lavitra ireo dahalo ireo fa vao niala enina kilaometatra tsy hiditra tao Ambavahadiala, efa tafiditra tanaty ala iray, dia tratran’ireo Zandary avy any Sarobaratra ireo malaso nitondra omby halatra. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta, ary naharitra ihany izany satria nanana fitaovam-piadiana toy ny basim-borona koa ireo dahao. Raha ny vaovao azo avy amin’ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana àry, dia nitsoaka nandositra ireo malaso ary navelany teo ny omby. Marihana moa fa tsy misy naratra ny fokonolona sy Zandary nandritra ny fifandonana. Tafaverina amin’ny tompony ny omby miisa 180, ary heverina fa tsy lasan’ireo andian-jiolahy ny omby sisa fa niparitaka any anaty ala. Mbola mitohy kosa ny fikarohana an’ireo jiolahy hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahtsoratra,ary ny Zandary avy ao sarobaratra no mandray an-tanàna ny raharaha. Tato ho ato, raha ny fanampim-baovao hatrany, dia nilamidamina ny halatra omby tato amin’ny Faritra Betsiboka, satria efa miparitaka ato amin’ny faritra ireo Zandary marobe avy any Antanànarivo miaraka amin’ireo miaramila avy any Mahajanga izay nalain’ny lehiben’ny faritra Atoa Razafipiera Herimala manokana mba hamerenana ny  fandriam-pahalemana. Miasa andro aman’alina mantsy ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fisafoana sy fijerena ireny toerana ahiana ho kizo ireny. Manao antso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka koa izy ireo, satria ahitam-bokatra harany io fifanampian’ny roa tonta io hatreto.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici