- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSarodrano-Maevatanàna: Jiolahy roa malaza saron'ny Zandary

Sarodrano-Maevatanàna: Jiolahy roa malaza saron’ny Zandary

Mihazakazaka hatrany ireo malaso amin’izao mamaram-parana ny taona 2024 izao, hitady vola fety malaky, saingy tsy nahomby ny paikady nataon’ireo malaso roa tratra nitondra omby halatra. Raha ny vaovao voaray farany dia ao anatin’ny manao rodoben’ny fandriampahalemana ny Zandary sy ireo dinam-pokonolona, fantatra amin’ny fiantso hoe: « Voromahery, » any amin’iny tapan’ny avaratra disitrikan’i Maevatanàna iny. Ny andron’ny faha-28 Novambra taona 2024 lasa teo iny, tokony tamin’ny valo ora maraina, tao amin’ny toerana atao hoe: Sarodrano, fokontan’Antsohery, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano no nifanena tampoka tamin’ny mpitandro ny filaminana, izay notarihin’ny GHC Antenaina Benjamin, ireo olona roa niaraka tamin’omby iray. Rehefa natao ny fijerena ny omby dia tsy nisy taratasy no nambaran’ireo vatan-dehilahy mantanjaka Voromahery dinam-pokonolona, fa jiolahy hikoizana amin’ny resaka halatr’omby izy roalahy ireto, satria efa ela nanaovan-dratsy, hoy hatrany ireto farany, izay nanatri-maso.Tsy nisalasala ny Zandary, nitondra azy roalahy no niantso an-telefaonina ny lehiben’ny borogady eto Maevatanàna, sady nitazomina ao Anosikely ny omby halatra mitondra marika: Jao, Joby, Kobona, mandra-pahitana ny tompony. Efa natao andrimaso ao amin’ny fonjakelin’ny Zandary, izy roalahy hisokafana fanadihadiana.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici