- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSaropody  : Lehilahy 60 taona saika hamaky trano

Saropody  : Lehilahy 60 taona saika hamaky trano

Noraisim-potsiny teo an-tokontanin’olona ilay mpangalatra. Lehilahy lehibe iray 60 taona no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoan’ny Filambinam-bahoaka etsy Ambohijatovo Ambony teny Saropody omaly alatsinainy tamin’ny 5 ora maraina noho ny resaka fikasana hamaky tranon’olona. Fampitam-baovao avy amin’ny olona mpiray void-rindrina no nadrenesan’ny polisy ny fisian’ity olon-dratsy ity. Nisy nahatazana izy nihanika ny tamboho fefin’ilay tanon’olona ka nahatonga ireo mpiray void-rindrina niantso ny mpitandro ny filaminana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy ka nidina teny an-toerana nijery ny zava-nisy. Tonga ara-potoana ireto farany ka tratra teo an-tokontanin’ilay trano ity rangahy lehibe ity. Rehefa natao ny fisavana azy dia nahitana « lampe de poche » sy « pince coupante » tany aminy. Fitaovana izay manaporofo ny fikasan-dratsy tao aminy. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria moa ity rangahy ity hanaovana fanadihadiana mihaloha ny hanolorana azy ny Fitsarana.

T.M

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici