Tovolahy iray manodidina ny 30 taona any ho any no maty, may kilan’ny afo nandritra ny hain-trano niseho teny Saropody Androndra ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Trano hazo misy efitra roa no indray levon’ny afo tamin’io fotoana io, izay tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any. Raha ny fanazavàna azo dia ny fivarotana ny iray tamin’io efitra io ary efitrano fatoriana kosa no tao ambadika. Tato amin’ity farany no voalaza fa niandohan’ny afo, izay avy amina jiro solitany. Mipetra-drery ity tovolahy ity, izay raha ny fantatra ihany koa dia manana aretina mitaiza. Azo heverina araka izany fa nihetsika irery tao ilay aretiny ary dia tsy nahatsiaro tena ilay niharam-boina. Mety ho voadaka tamin’izany ilay afon-tsolitany ary nampirehetra ilay trano hazo. Samy niezaka nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ireo fokonolona teny an-toerana, saingy tsy nisy azo natao intsony nahakasika ilay lehilahy tao anatiny. Efa voafehin’ireo fokonolona ny afo teny an-toerana, no tonga ny mpamonjy voina, hoy ny tompon’andraikitra. Nanampy ireo fokonolona tamin’ny famonoana tanteraka ny afo, ny fisokirana ireo vain’afo sy otrik’afo mbola tavela sisa no hany nataon’izy ireo. Raha ny mahakasika ilay tovolahy namoy ny ainy dia nentin’ny Bmh, teny amin’ny tranom-paty rehefa voasikotra tao anatin’ireo tapa-porohana.
m.L