- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversSAVA : Aéroport Antalaha Faktiora 5 volana tsy voaloa, notapahan'ny Jirama ny...

SAVA : Aéroport Antalaha Faktiora 5 volana tsy voaloa, notapahan’ny Jirama ny jiro

Faktiora dimy volana tsy voaloa, notapahin’ny Jirama ny jiro ao amin’ny seranam-piaramanidin’ Antalaha, ny alatsinainy naraina teo, ary mbola tsy mandeha hatramin’izao, raha araka ny tati-baovao marim-pototra voaray. Etsy adaniny, dia nilaza sy nanizingizina mafy ny avy ao amin’ny orinasam-panjakana Jirama, fa tsy hamerina ny jiro mihitsy izy ireo raha tsy voaloa ny faktiora. Vokatry ny tsy fisian-jiro dia mikatso avokoa ny asa rehetra mila herinaratra ao amin’ity « Aéroport » ity, ary mihasarotra ny fitandroana ny ain’olona amin’ny fifamoivoizana anabakabaka amin’ izao, satria tsy misy fifandraisana azo atao na samy ety an-tany na eny an-tany sy amin’ny habakabaka, hoy ny mpiasa, ary miantso ny tompon’andraikitra hamaha ny olana haingana, ireto farany, mba hisorohana ny loza mety hitranga raha misy sidina mandeha amin’ny seranam-piaramanidin’ Antalaha.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici