- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversSAVA : Andapa : Namono olona indray ny varatra

SAVA : Andapa : Namono olona indray ny varatra

Amin’ny fotoana fahavaratra toy izao no tena isehoan’ny trangana varatra. Anisan’izany ny nitranga tany amin’iny faritra SAVA iny ny alahady atoandro lasa teo. Raha nikija iny ny orana ny androtr’io dia nialoka tamin’ny toerana iray ny olona miisa efatra no nilatsaka tampoka ny varatra tao Andapa. Tampoka loatra ny zava-niseho ka ankizy 14 taona tamin’izy ireo no maty tsy tra-drano raha noentina teny amin’ny Hopitaly ary efa nahazo ny fitsaboana sahazy azy  ireo ny roa . Tsara ny manamarika fa tsy mifankafantatra ireto olona efatra ireto fa niara-nialoka fotsiny ihany.

Fitandremana. Raha ny fampitandremana navoakan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro dia mila fitandremana fa mety hanimba fitaovana, mety hiteraka afo ary mety hahafaty mihitsy ny varatra. Matetika rehefa avy ny orana dia misy fifanantonana herinaratra eo amin’ny rahona sy ny tany ka miteraka feo midoboka mafy (Kotroka) sy hazavana miendrika herinaratra (Tselatra). Izany hoe ny varatra dia fitambaran’ny kotroka sy ny tselatra raha ny fanazavana azo hatrany.

Ny tokony hatao. Raha ao an-trano dia esorina avokoa ny fitaovana mifandray amin’ny herinaratra, Tsy milalao rano any amin’ny trano fandroana na fisaikana. Tsy mijanona eo anoloan’ny varavarankely, Tsy mampiasa telefaonina raikitra (telephone fixe) fa azo atao ihany ny mampiasa ny telefaonina entin-tànana na ny finday raha tojo fahamehana. Raha ivelan’ny trano kosa dia tsy mandray na manakaiky fitaovana vita amin’ny vy toy ny elo, ny angady, andrin-jiro, …Tsy dia mifanakaiky amin’ny olon-kafa ary tsy mifampitantana .Tsy mialoka ambany hazo.Raha anaty fiara dia mijanona mihitsy ka hidiana avokoa ny fitaratra ary tsy mitoby ambany hazo.Manalavitra ny moron-dranomasina na rano mandeha .Raha tena tsy hita izay ialofana dia azo atao ny mihohoka amin’ny tany aloha mandra-pijanon’ny varatra.

 

Narindra Rakotobe

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici