- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSAVA Andapa : Tsy tonga ny Filoham-pirenena, diso fanantenana tanteraka ny vahoaka

SAVA Andapa : Tsy tonga ny Filoham-pirenena, diso fanantenana tanteraka ny vahoaka

Noho ny haratsian’ny toetr’andro, teo koa ny olana ara-tsolika tamin’ny angidimby izay taraiky tany Antalaha sy ny fahataran’ny fiaramanidina nitondra ny Filohan’ny repoblika, tao amin’ny seranam-piaramadina Ambodisatrana Sambava, dia tsy tontosa hatramin’ny farany ny fitsidihana nokasain’ity kandidà hirotsaka ho Filoham-pirenena ity tany amin’ny Faritra Sava, afak’omaly, raha nampanantena i Hery Rajaonarimampianina fa ho avy ao Andapa hitokana ny “Bloc Opératoire » sy hanolotra moto miisa 21 ho an’ireo Ben’ny tanàna, ny talata teo. Tamin’ny 08 ora sy 40 minitra no fotoana nomena ny vahoaka, nefa nigadona ihany ny tamin’ny roa ora tolakandro, tsy nipoitra ity Filoha-kandidà ity, ka voatery ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Fanabezam-pirenena efa tonga tany an-toerana no nanapaka “ruban” tamin’ny fitokanana an’ity toeram-pandidiana ity, tamin’ny telo ora sy fahefany. Raha ny tati-baovao voaray, dia nofoanana tamin’ny ora farany ny fitsidihana tany amin’ny distrikan’ Andapa sy Vohémar, fa nihazo avy hatrany an’i Nosy Be i Hery Rajaonarimampianina, ka diso fanantenana tanteraka ny vahoaka.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici