Mba hanamorana ny fahazoana fahalalam-baovao haingana amin’ny afitsoky ny loza voajanahary mandalo eto amin’ny firenena ary mba ahafahan’ny BNGRC mitondra ara-potoana ny fanampiana ho an’ny vahoaka sy hiarovana ara-potoana azy ireo sy ny fananany koa no anton’ny fidinan’ny Colonel Razakanaivo Mamy sekretera mpanatanteraka ao amin’ny CPGU sy ny Géneral de Brigade Rambolarson Charles, sekretera mpanatanteraka Lefitra ao amin’ny BNGRC sy ny ekipany isaky ny faritra. Filohan’ny fokontany mitotaly 589 no fantatr’izy ireo ato amin’ny faritra SAVA ka 271 ny an’i Sambava ;89 ny an’Andapa ; 62 ny an’i Vohemar ary 67 ny an’i Antalaha. Nanaovana atrikasa manokana izy ireo mba hanamafisana ny fahalalan’izy ireo amin’ny fampitana vaovao haingana dia haingana any amin’ny BNGRC. Nambaran’ny jeneraly taminay fa telo andro isaky ny distrika, maraina sy hariva, no ampiofanana ireo filohan’ny fokontany ireo ary mandeha isaka andiany izy ireo.Teto Sambava, ho an’ny faritra SAVA, no nanokafana izany tamim-pomba ofisialy ka teo anatrehan’Atoa Mananjara, Lucien, lehiben’ny faritra SAVA sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky sy ny lehiben’ny distrika no nanaovana izany. Tao amin’ny efitrano malalaka fivorian’ny faritra SAVA, eto Sambava io.
SMS alefan’izy ireo avy amin’ny finday TELMA manokana izay nozaraina maimaim-poana tamin’izy ireo no hampiasain’izy ireo amin’izany asa izany. Mbola nampahafantarin’I jeneraly taminay fa namokarana logiciel manokana teto an-toerana mba ahafahana malalaka manenjika io soritrasa io. Tetik’asa izay novatsian’ny Banky iraisam-pirenena hoan’ny CPGU no entina manantanteraka izao asa izao. Ao anatin’izany ary dia omena fahana finday 5000 ariary maimaim-poana isaky ny telovolana ireo filohan’ny fokontany ireo mandritra ny telo taona.
REMI, Rakotonirina